Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fandraisana)
Hanketo: Fikarohana, karohy
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
lahatsoratra 84 720 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Cefalù Pantocrator retouched.jpg

I Jesosy na Jesoa dia Jiosy tany Palestina izay inoan'ny Kristiana ho zanak'Andriamanitra nirahina ho ety ambonin'ny tany hanavotra ny olombelona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona indray. Izy no foto-pisian'ny Fivavahana kristiana. Antsoina koa hoe Jesoa Kristy na Jesosy Kristy izy.

Ny anarana hoe Jesoa dia hita ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy fa ny Jesosy kosa ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy. Ny hoe Jesosy dia fanagasiana ny teny anglisy hoe Jesus izay avy amin'ny teny latina hoe Iesus izay avy ain'ny teny grika hoe Ἰησοῦς / Iêsoûs izay avy amin'ny teny hebreo hoe Yeshua. Ny hoe Jesoa kosa dia fanagasiana avy hatrany io teny hebreo io.

Ny anarana hebreo lava hoe Yehoshua no ampiasaina amin'ny endrika fohy hoe Yeshua. Izany teny izany dia ahitana ny hoe Yeho na Yeh izay fanovan'ny hoe Yaho na Yah (sahala amin'izay hita ao amin'ny hoe Halelu Yah) izay fanafohezana ilay anaran'Andriamanitra hoe Yahweh. Ny hoe Yehoshua izany dia azo adika hoe "Mpamonjy i Yahweh" na "Yahweh dia famonjena". Mitovy fototra sy dika ny hoe Jesoa sy Josoa izay samy avy amin'ny teny hoe Yeshua.

Mba hiavahany amin'ireo Jesoa, Jesosy na Josoa hafa dia matetika asiana fanampiny io anarana io ka manome ny hoe Jesoa Kristy (Jesosy Kristy), Kristy Jesoa (Kristy Jesosy) na Jesoa avy any Nazareta (Jesosy avy any Nazareta). I Nazareta no tanàna niaviany. Antsoina fotsiny amin'ny hoe Kristy koa izy. Ny hoe Mesia dia iantsoana azy ihany koa nefa tsy matetika izany na dia mitovy hevitra amin'ny hoe Kristy. Ny hoe Kristy dia avy amin'ny teny grika hoe Χριστός / Khristos izay fandikana ny teny hebreo hoe Meshiakh na Mashiakh izay midika hoe "voahosotra", izany hoe voahosotr'Andriamanitra hanafaka ny Israely voalaza mialoha ao amin'ny Baiboly hebreo. Mety hialohavan'ny teny hoe Tompo ihany koa io anarana io ka ahazoana ny hoe Tompo Jesoa na Tompo Jesosy izay hafohezina indraindray amin'ny hoe Tompo. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

I Filipina na amin’ny anarany lava Repoblikan’i Filipina, na amin’ny fiteny tagalaogy Republika ng Pilipinas, na amin’ny fiteny anglisy, Republic of the Philippines, dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanan’i Malaizia (Borneo), Brunei, ary Indonezia (Faritany Indonezianin’i Borneo na Kalimantan).

Ireo faritany telon’i Filipina dia Luzon, Visaya ary Mindanao. Ny nosin’i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindran’ny firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, miisa 15 tapitrisa mponina. Eo amin’ny faritany afovoan’i Filipina no misy an’i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an’i Mindanao, nosy faharoa amin’ny velarantaniny. Davao, Marawi ary Zamboanga ary Cagayan no tanàna lehibe ao amin’ny nosin’i Mindanao. Any atsimo andrefan’i Mindanao no ahitana ireo nosin’i Sulu ohatr’i Basila, Jolo ary Tawi Tawi ; akaikin’i Borneo no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran’ny vondrona isilamista mpampatahotra Abu Sayyaf. Any andrefan’i Visaya no misy ny tamba-nosin’i Palawan, miisa nosy 1 700.

(tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ity herinandro ity

Gorges du Tarn Point Sublime.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia